1 Korintiana 11:28-29

Miarahaba anareo amin’ny anaran’i Jesoa.
Raha sitrapon’ny Tompo dia hotsaroana rahampitso ny nanoren’i Jesoa ny Fanasan’ny Tompo. Mba ho fahasoavan-dehibe ho antsika ny fandraisana dia andao hiomana am-panahy. Hoy ny Tompo:
« Fa aoka ny olona handini-tena, vao hihinana ny mofo sy misotro amin’ny kapoaka. Fa izay rehetra mihinana sy misotro dia mihinana sy misotro fanamelohana ho an’ny tenany raha tsy mamantatra ny tenan’ny Tompo izy (1Kor 11,28-29 Baiboly fanitsiana fahenina).
Miandry antsika hiombon-databatra Aminy i Jesoa rahampitso.
Tahin’ny Tompo. Amen.
Ny Mpitandrina