Ny Vaomieran’ny Vola dia ahitana mpikambana izay Mpandray miisa efatra ary fidina eo amin’ny Fivorian’ny Mpandray, ka toy izao izany :
- Mpandray manana fahalalana ankapobeny mikasika ny fitantanam-bola,
- Atolotry ny Mpandray,
Ny andraikitry ny Vaomieran’ny Vola :
- Manolo-tsaina sy manampy ny Birao mikasika ny raharaha ara-bola rehetra,
- Manisa ny Rakitra,
- Mandray an-tsoratra an’ireo manolotra ny Anjarako sy manao sonia ny karatra
Anjarako ary mandrotsaka ny vola any amin’ny banky. - Mandravona izany isam-bolana mba ho Tatitra ho ren’ny kristiana rehetra.
- Mamolavola ny vinavinan’ny Tetibola sy ny Tetibola nasiam-panitsiana ary
manolotra izany mba hodinihana sy ho tapahin’ny Rafitra. - Manolotra sosokevitra mba ho fanatsarana ny fitantanana ny ara-bola amin’ny
fotoana mahamety sy mahatsara an’izany.
Ny Mpikambana
- ANDRIATAVY Hary
- ANDRIHERINIAINA Ramanolosoa Oméga
- RABEONY Sarah
- RAJEMISA Haingo
- RAMAROMANANA Herizo
- RATOARIJAONA Ando