Ny Mpitandrina

Ny Mpitandrina no tomponandrakitra voalohany eo amin’ny fitaizana ny fianam-panahy sy ny fiandrasana ny ondrin’ Andriamanitra. Izany dia tanterahany amin’ny fandavorariana ny fanompoam-pivavahana izay ahitana an’ireto:

  • Toriteny sy fampianarana ho fitoriana ny Filazantsara ary ho fampiorenam-pinoana,
  • Fizarana ny sakramenta.

Andraikitry ny Mpitandrina koa ny mampianatra katekomena sy manofana ary mampianatra any amin’ny sampana tsirairay avy.

Mba hanatanterahana ny fiandrasana ny ondry dia manao famangiana tokantrano miaraka amin’ny diakona koa ny Mpitandrina.

Hoy i Jesoa: « Fahano ary ny ondrikeliko, andraso ary ny ondriko, fahano ary ny ondriko » (Jao 21,15-17)