Katekomena

Ny mpianatra katekomena dia olona feno 15 taona raha kely indrindra, vita batisa na tsia. Raha tsy vita batisa izy dia hatao aloha io vao azo raisina ho mpandray izy.
Isaky ny Alahady Fandraisana amin’ny volana Oktobra no fanombohan’ny taom-pianarana. Izany dia hatao isaky Alahady maraina aorian’ny fanompoam-pivavahana (azo hovaina anefa io andro sy fotoana io).
Ny Mpitandrina no mampianatra ny ketekomena ary maharitra iray taona fara-fahakeliny. Izy ireo dia hampianarina an’ireo mikasika ny fivavahana kristiana izay mifototra amin’ny Baiboly.
Rehefa vita ny fianarana ka afa-panadinana sy mendrika ho raisina ho mpandray, dia atolotra ny mpandray ny Fanasan’ny Tompo mba hankatoavina.
Raha misy mpianatra katekomena mitondra tokantrano ka tsy mbola vita fisoratam-panambadiana, dia atao aloha izany vao azo raisina ho mpandray ny Fanasan’ny Tompo izy.

Hoy i Jesoa:
« Izay rehetra omen’ny Raiko Ahy no hanatona Ahy; ary izay manatona Ahy dia tsy holaviko mihitsy » (Jao 6,37)