Vaomieran’ny Litorjia

Ny Fotokevitra
Mba hahazoana aim-panahy ao amin’ny Fanompoam-pivavahana, dia ny firindràna sy ny
filaminan’ny Litorjia no maha tanteraka an’izany.

Ireto avy ireo mandray anjara amin’ny Litorjia :

  • Ny Mpitandrina izay mitarika sy mitoriteny ary mizara ny sakramenta,
  • Ireo mandray anjara amin’ny Vavaka sy Vakiteny,
  • Ny Diakona miasa,
  • Ny Mpitendry zavamaneno,
  • Ny Mpikirakira ny lafiny fanamafisam-peo sy ny informatika ary teknika.

Ny andraikitry ny Vaomieran’ny Litorjia :

  • Manao izay hahalavorary tsara ny fanompoam-pivavahana rehetra ataon’ny
    Fiangonana,
  • Manao ny Lisitry ny tompon’anjara amin’ny fanompoam-pivavahana isan’Alahady
    ary isaky ny telo (3) volana : mitarika sy mitory, mivavaka sy mamaky Soratra
    Masina, ny Diakona miasa, ny mitendry zavamaneno, ny mikirakira ny lafiny
    fanamafisam-peo sy ny informatika ary ny teknika,
  • Manitsy sy hira diso araka ny Solfa ary mampianatra hira vaovao,
  • Mikaro-kevitra mba hiara-mientana ny kristiana rehetra ao amin’ny fanompoam-pivavahana.