Asa sy Fampaherezana

Ny asa dia natao mba hanafaka amin’ny fatotra rehetra ataon’i satana ka mitondra aretina, lainga, fitaka ary ny ratsy rehetra.
Ny fampaherezana dia natao mba hanorenana ny finoana an’i Jesoa Ilay hany Tompo sy Mpamonjy.
Ny asa sy fampaherezana dia ialohavan’ny toriteny hitondra ho amin’ny fandinihan-tena ary fitaomana hibebaka.
Izany dia tanterahana amin’ny alalan’ny fametrahan-tànana sy vavaka ary fandroahana demonia.
Izay nahazo fanafahana dia manolo tena hanompo an’i Jesoa (Mar 5 18-20).

Ankoatran’izay mangataka any an-tokatrano noho ny antony manokana, ny FKMA dia manao asa sy fampaherezana ho an’ny rehetra, isaky ny Alahady fahatelo, ao anatin’ny fanompoam-pivavahana maraina.

Hoy Jesoa:
« Izao famantarana izao no hanaraka izay mino: hamoaka demonia amin’ny anarako izy; hiteny amin’ny fiteny izay tsy mbola hainy izy; handray menarana izy; ary na dia misotro zava-mahafaty aza izy, dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tànana amin’ny marary izy, dia ho sitrana ireny » (Mar 16,17-18)