Vaovaom-piangonana 10/05/2026

SAMPANA sy ASA

Sekoly Alahady
Fanadinana Sekoly Alahady amin’ny Alahady 17/05 izao, manomboka amin’ny 2 ora 30 tolakandro, eny am-piangonana,

Sampana Vehivavy
Isaorana ny Tompo fa vita omaly sabotsy ny fivoriana fanao isam-bolana, omaly,

Antokom-pihira
Isaorana ny Tompo fa vita omaly ny AG sy ny fifidianana Birao.
Noho ny Fetin’ny Reny amin’ny 31/05; dia manomana opération gâteau sy quiche izy ireo. Efa mampihomana antsika dieny izao,

Skoto Tranainy sy Sakaiza
Aorian’ny fanompoam-pivavahana ny Andro niakarana ny Alakamisy izao 14/05, dia hanao AG ny STS. Aorian’ny fihofanana ataon’ny Mpitandrina dia hifidy ny Birao.

Ny Mpitandrina sy ny diakona dia hivory ny sabotsy izao amin’ny 5 ora 30 eny an-tokantranon’i Tonton Mahery mivady, izany dia hialohavan’ny fivorian’ny K 45.

Ny Fanompoam-pivavahana noho ny ANDRO NIAKARANA ny Alakamisy 14/05, dia hatao eny amin’ny Plateau ao amin’ny Petit Temple, manomboka amin’ny 10 ora maraina.
Hisy ny Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo.

An’ Andriamanitra irery ny voninahitra. Amen.