Sehatra iray handalinana ny Soratra Masina izy io. Ny Mpitandrina RAKOTONIAINA no mitarika ny dinika. Hanasana anao izay mahatsapa fa mila mitombo amin’ny fianarana ny Soratra Masina na handalina ny Soratra Masina. Io no sehatra hahafahanao manatanteraka izany. Koa dia manasa anao ho avy amin’ny 7 ora hariva ka hatramin’ny 8 ora hariva, isaky ny zoma.
Ny antsipiriany
Fiaraha-mandinika Soratra Masina 13/03/2026
Lohateny: Ny tena fiainana ny fivavahana araka ny Jak 1,26-27 FITARIHAN-TENY: Matetika dia ny mandeha miangona any am-piangonana ihany no atao hoe mivavaka. Ho hitantsika eto fa tsy ampy izany. Tena misy koa takin’ny Tompo mba hianantsika mpivavaka isan’andro. Ho hitantsika eto amin’ity Fiarahana mandika Soatra Masina anio ity izany. FAMPIDIRANA: Ny…
Fiaraha-mandinika Soratra Masina 06/03/2026
Niarahana amin’ireo Sampana Lohateny : Maharitra amin’ny fiombonana (Asa 2,41-42) FIZARANA VOALOHANY FAMPIDIRANA: Ny azo hambara ho lesoka eto amin’ny Fiangonantsika amin’izao faha 45 taona izao, dia misy an’ireompikambana any amin’ny Sampana no tsy hita miangona isaky ny Alahady. Izany hoe tsy tonga izy raha tsyhanao zavatra ilay Sampana na koa manana anjara…
Fiaraha-mandinika Soratra Masina 20/02/2026
NY KAREMY Ny Alahady 22 Febroary 2023 no Alahady voalohany amin’ny Karemy. Koa heverina fa tsara ny miresaka ny amin’izany mba hahazoantsika mandroso hatrany amin’ny fanompoana ny Tompo. Tsy mitovy amin’ny datin’ny Noely izay Andro raikitra dia ny 25 Desambra ny datin’ny Paska sy ny Pentekosta, fa miovaova satria nahoana? 1-Ny Paska…
Fiaraha-mandinika Soratra Masina 06/02/2026
NIARAHANA TAMIN’NY SAMPANA DIMY SY NY FIANGONANA FAMPIDIRANA : Ao anatin’izao fankalazana ny Tompo noho ny faha 45 taonan’ny Fiangonana izao, dia tonga ao an-tsaina ny fanontaniana manao hoe : Tsangambatom-panahy manao ahoana ary no hatsangan’ny mpino tsirairay avy, ho an’i Jesoa, ato amin’ny Fiangonana ?Hodinihantsika izany ao anatin’izao fiaraha-mandinika Soratra Masina…
Fiaraha-mandinika Soratra Masina 30/01/2026
NIARAHANA TAMIN’NY SAMPANA VOKOVOKO MANGA Ny kristiana manoloana ny fisotroana toaka sy divay ary ny fifohana sigara sy ny zava-maha domelina isan-karazany. Fahotana ve ny fisotroana, nefa Jesoa ary dia namadika ny rano ho tonga divay ? Ahoana ny mikasika ny abstinence sy ny tempérance ary ny modération ? Inona no tokony…