Fiaraha-mandinika Soratra Masina  06/02/2026

NIARAHANA TAMIN’NY SAMPANA DIMY SY NY FIANGONANA

FAMPIDIRANA :


Ao anatin’izao fankalazana ny Tompo noho ny faha 45 taonan’ny Fiangonana izao, dia tonga ao an-tsaina ny fanontaniana manao hoe : Tsangambatom-panahy manao ahoana ary no hatsangan’ny mpino tsirairay avy, ho an’i Jesoa, ato amin’ny Fiangonana ?
Hodinihantsika izany ao anatin’izao fiaraha-mandinika Soratra Masina izao.

MANOMPO NY TOMPO HO AN’NY FIANGONANA (1Kor 3,7-17)

FITARIHAN-TENY :

Ny Fiangonana tao Korinto dia Fiangonana nizarazara, noho ny fisian’ireo karazan’olona maro samy hafa niara-niangona tao. Ny jiosy tonga kristiana dia tena tia ny fampianaran’i Petera na Kefasy. Ny jentilisa maro an’isa tonga kristiana kosa dia nankasitraka ny toritenin’i Paoly ary ireo nahita fianarana dia nankamamy ny lahatenin’i Apolosy satria dia tena nahay nandaha-teny tokoa izy. Izany no niteraka fiandaniana tamin’izy telo lahy ireo, tsirairay avy ka niteraka fizarazarana tao Korinto (3,4)

FAMAKAFAKANA :

1-Paoly sy Apolosy (3,4-6)
Paoly no nanorina ny Fiangonana tao Korinto ary i Apolosy kosa dia ny Asa 18,26-28) no milaza ny momba azy. Izy mirahalahy ireo dia voalaza fa « samy mpanompo » (3,5). Ao amin’ny 3,6 dia :

  • Paoly namboly : izy no nitory ny Filazantsara mba hahatonga ny Korintiana hino ka handray an’i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy,
  • Apolosy nandena : izany hoe izy no nanohy tamin’ny fampianaram-pinoana mba hiorina amin’i Jesoa ny finoan’ny Korintiana.


Na dia eo aza ireo kazana fihetsiketsehana samihafa ho fankalazana ny faha 45 taona, dia tsy azo adinoina  fa andraikitry ny Fiangonana ny mitory ny Filazantsara sy mampiorina ny finoan’ny mpino ao amin’i Jesoa Ilay hany Mpamonjy.
Rehefa vita ireo dia asan’ Andriamanitra ny mampitombo (3,7)

Fanontaniana : Manao ahoana ny fahitanao ny fiaraha-miasan’ny Sampana dimy misy ato amin’ny Fiangonana ankehitriny ?


2-Antoka ho an’ny fitomboana sy fiorenan’ny Fiangonana :
Asantsika miara-miasa amin’ Andriamanitra no mampitombo ny Fiangonana, noho izany dia samia miezaka amin’izay tandrify azy. Fa ambonin’izany dia misy ny valim-pitia ho an’izay miasa tsara (3,8).
Eto amin’ity fizarana ity koa no ahitantsika ny atao hoe « Fiangonana ». Misy roa no iantsoana ny Fiangonana (3,9) :

  • Sahan’ Andriamanitra :
    Ny Tenin’ Andriamanitra no voa hafafy mba hamokatra. Ny mpamboly dia tsy maintsy manezaka mafy mba hahavita be satria rehefa betsaka ny velaran-tany voavoly dia mitombo be koa ny vokatra azo.
    Dia toy izany koa ny Fiangonana ; samy manezaka mafy isika amin’ny fitoriana ny Filazantsara fa rehefa tsy mamafy isika dia ny hafa no hamafy (karazam-pinoana, karazam-pivavahana, karazam-piangonana, karazam-pirehana entin’ny fanatontoloana sns …)
  • Trano arafitr’ Andriamanitra :
    Mba hampateza ny trano dia mila fototra tsara sy mafy. Ho an’ny Fiangonana dia Jesoa Kristy irery no fototry ny finoany, ambara fa « fanorenana » Izy eto amin’ny 3,11. Jesoa irery no torina fa Izy no fototra mampiorina ny Fiangonana.
    Azo ambara fa fototra koa ny fampianaran’ireo Apostoly ary mbola lovain’ny Fiangonana ankehitriny izany. Izany no maha Apostolika ny Fiangonana.
    Ny an’ny Apostoly  Paoly manokana dia mazava ny teniny « tahaka ny fanaon’ny mpità-marika mahay no nanaovako ny fanorenana » hoy izy (3,10). Toy ny mpahay maritrano (architecte) hendry sy mahay izy raha resaka fitoriana ny Filazantsara ka amin’izany dia tsy azo hovaina fa tsy maintsy Jesoa no torina.
    Fa rehefa mipetraka ireo fototra ireo, dia anjarantsika mpitory Filazantsara sy ireo mpino vita batisa izay mpikambana any amin’ny Sampana tsirairay avy kosa indray, ny mandrafitra ny rindrina.
    Mba hahavitana tsara ny trano dia mila an’ireo singa samihafa amin’ny fanamboarana trano (matériaux de construction). Ny mpino tsirairay avy dia tahaka an’ireo singa ireo.Tsy mitovy isika satria samy manana ny talentany sy ny fanomezam-pahasoavany avy. Ireo singa ireo miaraka mirafitra anefa no mahavita ny trano. Noho izany dia ny fifamenoana eo amin’ny fiaraha-miasa no mampitombo sy mampiorina ny Fiangonana.

Fanontaniana : Mahatsiaro fa tena ilaina ve ianao ato amin’ny Fiangonana na any amin’ny Sampana misy anao sa tsy maninona na eo na tsy eo ? Nahoana ?

Eto amin’ny manaraka eto koa dia mila mitandrina isika, satria misy karazany roa ny arafitry ny olona ao amin’ny Fiangonana (3,12) :

  • Mety ho volamena na volafotsy na vato tsara : ireo dia tsy levona raha toa ka sedraina amin’ny afo, Ireo no karazany voalohany,
  • Mety ho hazo na bozaka na mololo koa anefa no arafitry ny olona ao amin’ny Fiangonana. Ireo dia may tsy misy horaisina rehefa sedraina amin’ny afo.

Fanontaniana : Inona re izany asan’ny olona sarobidy sy tsy levon’ny afo izany eh ? Ary inona koa ny asan’ny olona na ny ataony ao am-piangonana kanefa dia hazo sy bozaka ary mololo ?

Eto indray koa dia mampieritreritra ny voalazan’ny Soratra Masina :

  • 3,13 : tsy misy ataontsika ao am-piangonana ka tsy haseho miharihary, ary indrindra ny mpino tsirairay avy dia samy hotsarain’Ilay ho avy hitsara ny velona sy ny maty avokoa, noho izany dia samia manao asa tsara sy maharitra.
  • 3,14 : mandray valim-pitia izay rehetra manao asa maharitra sy tsara araka ny sitrapon’ Andriamanitra ao amin’ny Fiangonana.
  • 3,15 : raha nanao antsirambina tamin’ny asan’ny Tompo isika dia « ho fatiantoka izy ; fa ny tenany kosa dia hovonjena, nefa toy ny avy ao amin’ny afo ihany ». Tsy mandray  ny valim-pitia izy amin’izany.

Farany : Saro-piaro amin’ny Fiangonana Andriamanitra, noho izany dia tena ratsy ny mahazo an’izay manimba ny tempolin’ Andriamanitra (3,16-17)

Fanontaniana : Afa-po ve ianao amin’ny amin’ny fiaraha-miasa ao anatin’ny Sampana misy anao na koa ny fiaraha-miasa amin’ny hafa ao anatin’ny Fiangonana ? Inona ny lesoka avy aminao na avy amin’ny hafa.

FEHINY

Inona ny tsangambatom-panahy volamena na volafotsy na vato sarobidy mba hatsanganao manokana ao anatin’izao faha 45 taonan’ny Fiangonana izao ?
Mahereza fa isika taranaka izao no navelan’i Jesoa hiaina an’izao fotoana sarobidy izao. Amen.

An’ Andriamanitra irery ny vonahitra. Amen.
                                                                                Ny Mpitandrina