Vaovaom-piangonana 08/02/2026


SAMPANA SY ASA

SEKOLY ALAHADY :
Hanao sortie eny amin’ny ITCJ Angré ny Sabotsy 14/02 izao ny Sekoly Alahady miaraka amin’ny ray aman-dreny. Ny Fiaingana dia amin’ny 9h30 ary ny fodiana dia amin’ny 16h. Efa misy ny sakafo sy rano. Manao tenue de sport.
Isaky ny Alahady amin’ny 3 ora tolakandro ny fianarana Sekoly Alahady eny am-piangonana eny amin’ny Plateau.

SAMPANA VEHIVAVY :
Ny fivoriana fanao isam-bolana dia hatao eny an-tokandranon’i Tatie Laetitia ny Sabotsy 14/02 amin’ny 15h30.

KATEKOMENA :
Ny fianarana katekomena dia isaky ny Alahady tolakandro amin’ny 2 ora eny am-piangonana Plateau.

NY FIANGONANA :
Manomboka izao dia eny amin’ny Plateau foana isika no miangona isaky ny Alahady tolakandro manomboka amin’ny 4 ora.
Misy ny Asa sy Fampaherezana amin’ny Alahady herin’ny anio 15 :02 ao anatin’ny Fanompoam-pivavahana.
Aorian’ny Fanompoam-pivavahana ny Fifidianana diakona. Aoka mba samy hiomana ka hitondra stylo.

FANDAHARAM-POTOANA MANDRITRA NY HERINANDRO :


Ny Cellule de prière dia hatao eny an-tokantranon’i Tatie Laetitia ny Alarobia izao, amin’ny 15h30-16h30,
Ny Etude biblique dia hatao eny am-piangonana Plateau, ny Zoma hariva amin’ny 19h-20h. Mitohy ny fandihantsika ny bokin’ny Mpitoriteny.

An’ Andriamanitra irery ny voninahitra. Amen.