Fiaraha-mandinika Soratra Masina 06/03/2026

Niarahana amin’ireo Sampana

Lohateny : Maharitra amin’ny fiombonana (Asa 2,41-42)

FIZARANA VOALOHANY

FAMPIDIRANA:

Ny azo hambara ho lesoka eto amin’ny Fiangonantsika amin’izao faha 45 taona izao, dia misy an’ireo
mpikambana any amin’ny Sampana no tsy hita miangona isaky ny Alahady. Izany hoe tsy tonga izy raha tsy
hanao zavatra ilay Sampana na koa manana anjara izy vao tonga. Fa maninona? Ary inona no antony?
Nisafidy ny teny Faneva isika hoe “Fa Kristy no velona atoo anatiko” (Gal 2,20) ary izany indrindra no
tokony hitondra antsika amin’ny fandinihan-tena hoe: Marina amiko ve izany teny Faneva izany sa tsia?
Indrindra fa raha resaka fiombonana amin’ny fivavahana no resahana.
Hojerentsika ao anatin’izao Fiarahana mandinika Soaratra Masina izao ny valin’izany.

FAMAKAFAKANA:

  1. Ny tontolo manodidina ny teksta: (Asa 2,41-42)
    Nilatsaka ny Fanahy Masina (2,1-13)
    Nitoriteny i Petera (2,14-36)
    Ireo olona 3000 voalohany babon’ny Filazantsara ka natao batisa (2,37-41)
  2. Ny Fiangonana Kristiana voalohany: (2,41-42)
    Niavaka tokoa izy ireo satria:
    Araka ny 2,41 dia:
  • Marobe ireo nanolo-tena hanara-dia an’i Jesoa,
  • Nibebaka,
  • Natao batisa,

Araka ny 2,42 dia ireto ireo Andry efatra (4) ny Fiangonana voalohany:

  • 2.1. Ny fampianaran’ny Apostoly: io dia milaza ny asam-pamonjena nataon’i Jesoa sy ny
    nanatanterahany an’izany: nijaly, nofantsihana teo amin’ny hazo fijaliana, maty sy nitsangana
    tamin’ny maty ary niakatra tany an-danitra. Ao koa ny fampianaran’ny Apostoly; izay misy ohatra
    araka ny fehin-teny hita ao amin’ny Asa 15, 23b-29,
  • 2.2. Ny Fiombonana (kononia): niray toerana sy niombona fananana. Niray fo sy saina amam-
    panahy (Asa 4,32)
  • 2.3. Ny Famakiana ny mofo: ity dia voamariky ny Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo. Izany dia
    natao ho fahatsiarovana ny fahafatesan’i Jesoa,
  • 2.4. Ny fiaraha-mivavaky ny mpino ao amin’ny Fiangonana.

Ireo no azo hambara fa nampiavaka ny Fiangonana voalohany ary azo raisina ho modely mba
handinihana ny fianan’ny Fiangonana ankehitriny.

Tapitra eo ny fizarana voalohany fa hodinihana amin’ny iray volana ny Fizarana faharoa sady farany.

Ho aminareo ny fiadanan’I Jesoa. Amen.

Ny Mpitandrina