Sehatra iray handalinana ny Soratra Masina izy io. Ny Mpitandrina RAKOTONIAINA no mitarika ny dinika. Hanasana anao izay mahatsapa fa mila mitombo amin’ny fianarana ny Soratra Masina na handalina ny Soratra Masina. Io no sehatra hahafahanao manatanteraka izany. Koa dia manasa anao ho avy amin’ny 7 ora hariva ka hatramin’ny 8 ora hariva, isaky ny zoma.
Ny antsipiriany
Ny faharetana sy ny fiaretana amin’ny finoana
Ny faharetana sy ny fiaretana amin’ny finoana, miatrika ny fiainana isan’andro.Hoy ny Soratra Masina:« Ry rahalahiko, aoka ny mpaminany izay niteny tamin’ny anaran’ny Tompo no halainareo ho fianarana ny fandeferam-pahoriana sy ny faharetana » (Jak 5,10)Mba hananantsika faharetana dia inona avy ireo tsy maintsy hianaranatsika amin’ny nataon’ireo mpaminany?Tongava amin’ny Fiaraha-mandinika Soratra Masina androany hariva…
Etude Biblique 17/03/2023
Anio 17/03/2023 dia « Ny faharetana sy ny fiaretana amin’ny finoana sy ny fanompoana » araka ny Jak 5,11 « Indro ataontsika fa sambatra izay efa naharitra. Efa renareo ny faharetan’i Joba, ary efa hitanareo ny faran’ny nataon’ny Tompo taminy, fa miantra indrindra ny Tompo sady be famindrampo »Manonona ny fiadanan’i Jesoa mba ho aminareo mandrakariva.…
Aza mitsara olona…
« Aza mitsara olona, dia tsy hotsarain’ Andriamanitra ianareo; fa araka izay fomba hitsaranareo olona ihany no hitsaran’ Andriamanitra anareo koa, ary araka izay fomba hamaranareo ho an’olona ihany no hamaran’ Andriamanitra ho anareo koa » (Mat 7,1-2 DIEM)izany no hodinihantsika amin’ny Étude biblique androany hariva amin’ny 7 ora.Samia hotahin’ Andriamanitra. AmenNy Mpitandrina Post…
Fampianarana Soratra Masina
Nitohy ny zoma 27/01/2023 ny fampianarana soratra masina ka ny Joda 12-13 no no nodinihina tamin’izany. Post Views: 39
Fampianarana Soratra masina
Mitohy ny fampianarana Soratra masina ny Zoma faha 20 ny volana Janoary izao. Ao amin’ny Petit temple plateau amin ‘ny 7 ora ariva. Manasa antsika rehetra ho tonga maro. Post Views: 57