Fiaraha-mandinika ny Soratra Masina

Sehatra iray handalinana ny Soratra Masina izy io. Ny Mpitandrina RAKOTONIAINA no mitarika ny dinika. Hanasana anao izay mahatsapa fa mila mitombo amin’ny fianarana ny Soratra Masina na handalina ny Soratra Masina. Io no sehatra hahafahanao manatanteraka izany. Koa dia manasa anao ho avy amin’ny 7 ora hariva ka hatramin’ny 8 ora hariva, isaky ny zoma.


Ny antsipiriany

Efesiana 6:11-18 | Alim-bavaka 20 Aprily 2023

IREO FIADIN’ ANDRIAMANITRA (Efes 6,11-18) Fampidirana: Ny Efesiana, Filipiana, Kolosiana ary Filemona dia antsoina hoe « epistily nosoratan’i Paoly fony izy nigadra ». Tany Roma izy no nanoratra ny Efesiana teo anelanelan’ny taona 60-62 amin’izao androntsika izao.Tsy nihidy tany an-tranomaizina izy fa nahazo fahalalahana kely ihany ary afaka nandray olona.Ny fahitany ny miaramila nifanerasera…

Avr 25, 2023 544

Famintinana fianarana soratra masina ny 14 Aprily 2023 : Matio 6:12 (Fizarana voalohany)

Hoy i Jesoa:« Ary mamelà ny helokay tahaka ny namelanay izay meloka taminay » (Mat 6,12), fa tsara raha vakiana koa 6,14-15. Fampidirana: 6,5-8: Ny fitsipika fototry ny fivavahana, 6,9-15: Ny vavaka nampianarin’ny Tompod) Ny fifadian-kanina (6,16-18) Hatreo aloha ny androany fa hotohizana indray amin’ny heriny. Vavaka: Mivavaha mba ho foana ao am-pon’ny mpivavaka…

Avr 14, 2023 553

Matio 6:12

Ry havana.Faly miarahaba anareo amin’ny anaran’i Jesoa.Hoy i Jesoa tamin’ny vavaka nampianariny:« Mamela ny helokay tahaka ny namelanay izay meloka taminay » (Mat 6,12).Izany indray no hianarantsika amin’ny Fiaraha mandinika Soratra Masina androany hariva amin’ny 7 ora. Tongava maro.Ho aminareo ny fiadanan’i Jesoa. Amen.Ny Mpitandrina Post Views: 57

Avr 14, 2023 491

Famintinana 31 Martsa 2023

Ireto andinin-tSoratra Masina telo ireto dia nofidina mba hijerentsika ny fiheveran’i Jesoa ny zaza na ny ankizy: Mat 18,1-5: Eto dia fanontaniana ny amin’izay ho lehibe indrindra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra, no nataon’ny mpianatra.Tsy tonga dia namaly Jesoa, fa niantso zazakely iray izy mba hahazoan’ny rehetra ny fampianarany. 1.1. Ny vahoakan’ny fanjakan’ny…

Mar 31, 2023 495

Matio 19:14

Ny lohahevitra hodinihana amin’ny Étude biblique anio 31 Martsa 2023 dia ny tenin’i Jesoa manao hoe:« Avelao ny zaza ary aza rarana tsy hanatona Ahy; fa an’ny toa azy ny fanjakan’ny lanitra » (Mat 19,14) Misaotra ny mpino nanolotra io lohahevitra io. Manantena ny fahatongavantsika maro izahay ry havana.Ho aminareo ny fiadanan’i Jesoa. Amen.Ny…

Mar 31, 2023 491