Lohateny: Ny tena fiainana ny fivavahana araka ny Jak 1,26-27
FITARIHAN-TENY:
Matetika dia ny mandeha miangona any am-piangonana ihany no atao hoe mivavaka. Ho hitantsika eto fa tsy ampy izany. Tena misy koa takin’ny Tompo mba hianantsika mpivavaka isan’andro. Ho hitantsika eto amin’ity Fiarahana mandika Soatra Masina anio ity izany.
FAMPIDIRANA:
Ny mpanoratra ny Epistily dia Jakoba rahalahin’ny Tompo (Gal 1,19; 2,9). Izy dia iray amin’ireo antsoina hoe “Andrin’ny Fiangonana” tao Jerosalema, tao amin’ny Fiangonana voalohany.
Ny anoratana: dia ireo firenena roa ambin’ny folo monina any am-pielezana (Jak 1,1); izany hoe ireo kristiana any am-pielezana, izay vahiny any ivelan’i Palestina.
Ny hevi-dehibe vohizin’ny Epistily nosoratan’i Jakoba dia: ny fiainana ny fivavahana kristiana, aseho amin’ny finoana sy ny asa.
Ireto ireo andinin-tSoratra Masina fanalahidy: 1,27; 2,26.
Ireo fizarana:
- Fiarahabana: 1,1
- Ireo fizahan-toetra sy fakam-panahy 1,1-18,
- Mihaino sy mampihantra ny Tenin’ Andriamanitra: 1,19-4-17:
1,19-20: Mianatra mihaino
1,21-27: Ny fivavahana marina mitaha amin’ireo fivavahana hafa.
FAMAKAFAKANA:
1,26: Raha misy mieritreritra fa mpivavaka izy:
eto ny Soratra Masina dia miteny mivantana an’ireo izay rehetra mihevi-tena fa mpivavaka.
Kanefa tsy manisy lamboridy ny lelany (jereo koa ireto 3,2.6.8 sy 3,10).
Eto kosa dia tena sarobidy ny fahaizana mifehy ny teny tenenina amin’ny hafa.
Fanontaniana: Ahoana ary no hatao mba hahaizana mifehy ny teny tenenina (manisy lamboridy)?
Valiny: tsy mandainga (milaza ny marina mandrakariva), tsy manaratsy ny hafa, tsy miteny amim-pahatezerana.
Mamitaka ny fony: mihevitra ny tenany fa mpivavaka izy kanefa dia anarana fotsiny fa tsy iainana.
Zava-poana ny fivavahana: tsy misy vokany fa mandala fotsiny ny maha mpivavaka azy. Tsy misy lanjany eo anatrehan’ny Tompo ny fivavahany.
Hafatry ny 1,26:
- Ny fivavahana zava-poana dia ny fivavahana ivelambelany ihany, fa tsy hita ho mivadika toetra sy fihetsika mampiavaka ny kristiana,
- Ilaina ny fahaizana mifehy tena indindra fa ny teny tenenina. Izany no tena fiainana ny fivavahana
kristiana.
Ny handrefesana ny fiainam-panahy na ny fahamatorana ara-panahy dia ny fifehezana ny teny tenenina.
1,27: Ny fivavahana madio (tsy misy fangarony) sy tsy misy loto eo anatrehan’Andriamanitra :
Fanontaniana: Fa inona tokoa moa no mandoto ny fivavahana?
Valiny: Olona iray mivavaka sy mandeha miangona isan’Alahady fotsiny fa tsy misy asa mivaingana mba hataony ho fampiharany ny fivavahany.
Mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena ao amin’ny zava-manahirana azy Satria:
- Olona marefo izy ireo,
- Tsy mpiaro sy mpikarakara ary mpiahy,
- Tsy hanantenana valiny ny atao amin’izy ireo, (endriky ny fanehoana ny tena fitiavana izany).
Ankoatran’ireo dia hoy i Jakoba: “ny fivavahana madio sy tsy misy loto” koa dia: “Miaro ny tena tsy hisy pentipentina avy amin’izao tontolo izao”
Satria vahiny izy ireo, ary miparitaka eran’izao tontolo izao. Noho izany dia tsy mahazo manaraka ny fomba amam-panaon’izao tontolo izao; indrindra fa izay rehetra mifanohitra amin’ny Tenin’Andriamanitra.
Fanontaniana: Ahoana no hatao mba hiarovana ny tena?
Valiny: Manana saina mahay mamantatra ny sitrapon’ Andriamanitra, ary tsy manao sy tsy mandeha any amin’izay toerana misy an’izay rehetra tsy ankasitrahan’Andriamanitra.
Hafatry ny 1,27:
Ny fivavahana madio sy tsy misy loto eo anatrehan’Andriamanitra dia ny misy asa mivaingana atao amin’ireo marefo sy miaro tena amin’ny fahotan’izao tontolo izao.
FEHINY:
Ny mpivavaka marina miaina ny tena fivavahana marina dia:
- Mandeha miangona manompo ny Tompo any am-piangonana,
- Mahafehy ny tenany indrindra fa ny teny teneniny,
- Manao asa mivaingana amin’ny mpiara-belona indra fa ny mamonjy sy manampy an’ireo marefo,
- Miaro tena amin’ny ota sy ny fanaon’izao tontolo izao.
An’ Andriamanitra irery ny voninahitra.
Ny Mpitandrina