Vaovaom-piangonana 19/04/2026



SAMPANA SY ASA

Sekoly Alahady:

Mianatra ny Mpianatra amin’ny Alahady izao amin’ny 3 ora aty am-piangonana

Katekomena:

Mianatra ny katekomena amin’ny Alahady izao manomboka amin’ny 3 ora aty am-piangonana

Antokom-pihira:

Sady mihofana miaraka amin’ny Mpitandrina no manao famerenan-kira isika amin’ny Sabotsy izao manomboka amin’ny 5 ora tolakandro.
Ny toerana dia holazaina any amin’ny vondrona WhatsApp

Fandaharana isa-kerinandro:

Alarobia hariva amin’ny 7 – 8 ora 30 hariva ny fihofanan’ny Diakona

Alakamisy tolakandro amin’ny 3 ora 30 – 4 ora 30 ny Cellule de prière any an-tokantranon’ny Mpitandrina

Zoma hariva amin’ny 7 ora ‘ 8 ora ny Étude biblique aty am-piangonana

Ny Fiangonana :

Eny amin’ny Plateau hatrany isika no miangona isaky ny Alahady manomboka amin’ny 4 ora tolakandro. Amin’ny Alahady izao dia hisy ny Ankatoky ny Fandraisana ho fanomanam-panahy.

An’ Andriamanitra irery ny voninahitra. Amen.