1Korintiana 4:5

Miarahaba anareo amin’ny anaran’i Jesoa amin’izao herinandro vaovao izao.
« Noho izany, aza mitsara olona alohan’ny fotoana, dia mandra-pihavin’ny Tompo: Izy no hampiharihary ireo zavatra afenina anatin’ny maizina sy hampiseho ireo hevitry ny fon’ny olombelona. Ka amin’izay dia samy homen’ Andriamanitra ny dera tandrify azy avy ny tsirairay » (1Kor 4,5)
Samia mitandrina amin’izay ataony mba tsy ho votsotra ny dera atolotry ny Tompo ho anao, rehefa ho tonga Izy.
Ny Mpitandrina