Finaritra.
Hoy ny Tompo:
« Ny volamena dia sedraina amin’ny alalan’ny afo na dia zavatra mety simba aza, ary ny finoanareo, izay sarobidy lavitra noho ny volamena, dia sedraina amin’ny alalan’ireny fitsapana ireny ka ho hita fa hahazoan’ Andriamanitra dera sy voninahitra ary haja izany, amin’ny andro hisehoan’i Jesoa Kristy » (1Pet 1,7 DIEM)
Ny mpino miorina amin’ny finoana dia efa nandalo fakam-panahy sy fizahan-toetra ary nandresy tamin’ny izany. Koa mahereza fa ho voninahitry ny Tompo izany. Amen.
Ny Mpitandrina