Amin’ny fifaliana no hiarahabana anareo amin’ny anaran’i Jesoa.
Toy izao no fiainan’ny mpino mijoro amin’ny finoana sy ny valim-pitia ataon’ Andriamanitra aminy:
« Fa nifikitra tamin’i Jehovah izy (Hezekia mpanjka), ka tsy niala tamin’ny fanarahana Azy, fa nitandrina ny didy izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy.
Ary Jehovah nomba azy, ka dia nambinina tamin’izay nalehany rehetra izy » (2Mpanj. 18,6-7b)
Mba ho toy izany koa anie isika kristiana ankehitriny. Amen.
Ny Mpitandrina