Faly miarahaba anareo amin’ny anaran’i Jesoa.
Amin’izao vanim-potoana izao, dia aoka hitandrina hatrany isika ny amin’izay karazana fampianarana sy toriteny henointsika.
Hoy mantsy i Petera Apostoly:
« Fa nisy mpaminany sandoka teo amin’ny olona Israely, ary hisy koa mpampianatra sandoka tahaka izany eo aminareo, izay hahatonga mangingina sain-diso mahavery ary handa ny Tompo Izay nividy azy ka hahatonga fahaverezana tampoka ho an’ny tenany. Ary maro no hanaraka ny fijejojejoany; ka ireny no hitenenan-dratsy ny làlan’ny fahamarinana » (2Pet 2,1-2)
Samia miaro ny finoany.
Mahereza.
Ny Mpitandrina