2 Tantara 20:22

Faly miarahaba anareo amin’ny anaran’i Jesoa.
Rehefa midera ny Tompo isika, dia resy ny fahavalontsika. Ohatra iray ity:
« Ary raha vao nanomboka nihoby sy nidera ny Tompo ireo, dia nasian’i Jehovah otrika hamely ny taranak’i Amona sy Moaba sy ny avy tany an-tendrombohitra Seïra, izay avy hamely ny Joda, ka dia resy ireo » (2 Tant 20,22)
Reseo amin’ny hoby sy ny fiderana ny Tompo fahavalo rehetra. Amen.
Ny Mpitandrina