2Timoty 1:6-7

Faly miarahaba anareo amin’ny anaran’i Jesoa.
Tohizana androany ilay resaka fametrahan-tànana.
Handraisana fahefana handresena ny ratsy rehetra ary hamelomana ny fanomezam-pahasoavana noraisina ny fametrahan-tànana amin’ny mpino.
« Ary noho izany dia mampatsiaro anao aho mba hamelomanao ny fanomezam-pahasoavana avy amin’ Andriamanitra, izay ao anatinao tamin’ny fametrahako ny tànako. Fa tsy nomen’ Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fiavana ary fahononan-tena » (2Tim 1,6-7)
Mahereza sy mazotoa amin’ny fanompoana. Amen
Ny Mpitandrina