Miarahaba ny mpianakavin’ny finoana rehetra tratry ny Alakamisy Masina.
Hoy i Jesoa:
« Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay; ary izaho hangana azy amin’ny andro farany. Fa ny nofoko no tena fihinana, ary ny rako no tena fisotro » (Jao 6,54-55)
Manasa anao hiombon-databatra amin’ny Tompo androany. Manomboka amin’ny 7 ora hariva ny fanompoam-pivavahana.
Manonona ny fiadanan’i Jesoa mba ho aminareo mandrakariva. Amen.
Ny Mpitandrina
