Ireto andinin-tSoratra Masina telo ireto dia nofidina mba hijerentsika ny fiheveran’i Jesoa ny zaza na ny ankizy:
Mat 18,1-5:
Eto dia fanontaniana ny amin’izay ho lehibe indrindra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra, no nataon’ny mpianatra.
Tsy tonga dia namaly Jesoa, fa niantso zazakely iray izy mba hahazoan’ny rehetra ny fampianarany.
1.1. Ny vahoakan’ny fanjakan’ny lanitra dia olona nandre ny antson’ny Tompo (18,2)
1.2. Miova toetra sy fanao (mibebaka) tahaka ny zazakely vao tafiditra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra (18,3). Manana ny toetsain’ny zaza izay miakin-doha tanteraka fa tsy mihevitra ny mahavita tena irery. Noho izany dia miankina tanteraka amin’ny Tompo isika.Hialana ny fitadiavam-boninahitra sy ny fiheveran-tena ho ambony. Izay manetry tena no tafiditra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa tsy ny fizahozahoana.
1.3. Tsy mba noheverin’ny fiarahamonina loatra ny ankizy, fa ankehitriny kosa Jesoa dia mampianatra fa: tsy azo atao ny manavaka na manilikilika ny ankizy sy ireo izay an-jorom-bala rehetra eo amin’ny fiarahamonina fa raisina avokoa satria Solo-tenan’ny Tompo ireny (18,5). Ny mandray dia mikarakara no dikany, ary tsy tanteraka izany raha tsy eo ny fitiavana.
Saro-bidy eo anatrehan’ny Tompo ny zaza ary toy izany koa ny mpianatra manana ny toetsain’ny zaza.
Tsy misy kely sy lehibe ao amin’ny fanjakan’ny lanitra ary tsy misy laharam-boninahitra.
Mat 9,13-15:
Jesoa sy ny zaza no lohateny azo omena an’ity perikopa ity.
Nentina teo amin’i Jesoa mba hametrahany tànana sy hivavahany ireto zazakely ireto, noho ny finoana fa mahazo fitahiana avy Aminy koa ny zaza (19,13). Tsy nenken’ny mpianatra izany; noho ny fiheverany fa mampanahirana Azy fotsiny ary tsy hanam-potoana ho an’ny ankizy ny Tompo. Tsy nanaiky an’izany i Jesoa.
2.1. Mitandrema isika fa misy olona akaiky ny Tompo (tahaka ny mpianatra) izay misakana ny hafa tsy hanatona an’i Jesoa ary tsy ho anisan’ny vahoakan’ny fanjakan’ny lanitra.
2.2. Zava-dehibe ny tenin’i Jesoa manao hoe: « an’ny toa azy ny fanjakan’ny lanitra ». Ny hevitry ny hoe « an’ny toa azy » dia izay rehetra manana ny toetsain’ny zaza, ka ny zaza ara-taona aloha ary manaraka izany ny olon-dehibe izay nibebaka ka tonga toy ny zaza (18,3) (Sigurd ODLAND, Heviteny amin’ny Filazantsara nosoratan’i Matio)
Arak’izany dia azontsika tanisaina eto ny toetsain’ny ankizy mba hianarana sy halaina tahaka.
Tahaka an’ireto vehivavy nitondra ny zanany nanatona an’i Jesoa ireto no tokony hataontsika, mba ho anisan’ny vahoakan’ny fanjakan’ny lanitra isika. Manatona an’i Jesoa.
Mahereza.
Voambolana
Nodinihana tamin’izao Fianarana Soratra Masina izao ireo voambolana maro amin’ny teny grika ilazana ny ny ankizy sy ny zaza, ny zazakely ary ny zaza minono. Fa misy heviny maro ny hoe « madinika » (mikros na petit), ka eto dia ny madinika ara taona sy ny heviny ara-panahy no nodinihana:
18,6: ny hoe « manafintohina » dia mametraka zavatra na vato eny an-dàlana ka mampianjera olona. Manafintohina izay rehetra mametraka zavatra mba handavoana ny hafa, indrindra fa ny madinika mino an’i Jesoa (madinika ara-taona sy ireo izay niova-fo 18,3).
Hitantsika eto fa Jesoa mihitsy no mitsara sy manameloka mafy dia mafy azy ireo. Mila mitandrina isika.
18,10: mbola fampitandremana mba tsy hanao tsinontsinona ny ankizy madinika ihany koa no hita eto satria ny anjeliny (iraka) nataon’ Andriamanitra mba hiaro azy ireo dia ambony indrindra ary afaka manatrika ny Ray ; izany anefa dia tsy azon’ny hafa atao.
Milaza amintsika izany fa tena lehibe amin’i Jesoa izay heverin’ny olona fa madinika.
FEHINY:
Misokatra ho antsika ny fanjakan’ny lanitra na dia tsy mbola tonga amin’ny fahafenoany azy (3,2),
- Mianatra ny toetran’ny zaza isika mba ho tafiditra ao,
- Aza misaka ny hafa tsy hanatona ny Tompo,
- Tandremo ny manafintohina sy manao tsinontsinona ny madinika mino an’i Jesoa.
Mandray sy mihevitra ary miaro ny ankizy ny Tompo.
An’ Andriamanitra irery ny voninahitra. Amen.
VAVAKA:
Mivavaka isika mba hanana ny toetran’ny zaza ary ho tonga vahoakan’ny fanjakan’ny lanitra.