Ry havana, fifaliana ho anay ny miarahaba anareo amin’ny anaran’i Jesoa.
Izahao toetra ny fanahy ka tandremo tsara ny tahaka itony:
« Tandremo fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin’ny filosofia sy ny famitahana foana, araka ny fampianarana voatolotry ny razana, araka ny abidim-pianaran’izao tontolo izao, fa tsy araka an’i Kristy. Fa ao amin’ny tenany no itoeran’ny fahafenoan’ny fomban’ Andriamanitra rehetra » (Kol 2,8)
Marobe ny fampianarana hitantsika any amin’ny tambazotra sosialy any fa mivavaha mandrakariva mba tsy ho azon’ny « fanahy mamitaka »
Mahereza.
Ny Mpitandrina