Ho aminareo mandrakariva anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika. Amen.
Ny hodinihantsika androany dia ny tenin’i Jesoa manao hoe:
« Izay tsy nanota eo aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany » (Jao 8,7)
Somary niadian-kevitra ny Jao 7,53-8,11 hoe: tena soratry ny Apostoly Jaona ve io? Satria misy an’ireo soratra tranainy amin’ity Filazantsara ity no tsy nahitana an’io. Iaraha-malala anefa fa mifanandrify amin’ny toetran’i Jesoa ny voalaza eto ka mendrika ny hakana lesona izany.
1. FAMPIDIRANA:
« Ny amin’ilay vehivavy nijangajanga » no lohatenin’ny Jao 8,1-11. Mizara efatra (4) izany:
1.1. Jesoa nampianatra teo amin’ny tempoly (8,1-3),
1.2. Ilay vehivavy azo nijangajanga (8,4-6),
1.3. Mpanota avokoa ny olombelona rehetra (8,7-10),
1.4. Jesoa mamela heloka (8,11).
2. FANAZAVANA:
Efa talohan’izao no nikasa hisambotra an’i Jesoa ny Fariseo sy ny lohan’ny mpisorona ( vakio 7,32. 45-48), koa tsy mahagaga raha te hamandrika an’i Jesoa ry zareo eto (8,6b).
Araka ny lalàn’i Mosesy dia mendrika ho faty ity vehivavy ity sy ilay lehilahy niaraka nijanganga taminy, izay tsy netina teto? (Lev 20,10; Deo 22,22-24). Soa ihany fa nifanena tamin’i Jesoa anefa izy.
3. FAMAKAFAKANA:
Eo imasom-bahoaka ity tantara ity no miseho, ary ny tanjon’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo dia ny haka fanahy ny Tompo ary hahazoany izay hiampangany Azy (8,6)
Ny fanontanian’izy ireo dia tsotra:
« Tratra nijangajanga ity vehivavy ity ary mendrika ny ho faty araka ny lalàna, fa ahoana kosa hoy Ianao? » (8,4-5)
Roa no valin-teny andrasan’izy ireo:
– Raha manameloka i Jesoa: dia hita miharihary fa tsy ao ilay fahasoavana nolazainy (Jao 1,17; Lio 4,22)
– Raha manafaka an’ity vehivavy ity Izy dia vao maika ratsy satria mitarika ny olona tsy hanara-dalàna Izy ary azo torina any amin’ny sinedriona izay tribonaly jiosy.
Izany no nahatonga an’i Jesoa ho niondrika ka nanoratra tamin’ny tany (8,6b), vao namaly hoe: « Izay tsy nanota eo aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany »
4. INONA AVOKOA NO HEVITR’IZANY:
4.1. Fantatr’ ireto mpanora-dalàna sy Fariseo ireto tsara ny lalàna:
Deo 17,5-7: iza no vavolombelona fa izy no mitora-bato azy voalohany (ampitahao amin’ny Asa 7,58),
Mat 7,1-5: aza maika mitsara olona fa samy mpanota avokoa,
Mat 5,27-28: raha mijery vehivavy ka mila (mitsiriritra) azy dia efa mijangajanga taminy tao am-pony sahady.
Koa iza amin’ireo lehilahy tsirairay avy ireo ary no afaka amin’izany?
5. VOKANY:
Niala tsirairay hatramin’ny zokinjokiny ka hatramin’ny zandrinjandriny (8,9a)
6. LESONA TSOAHINA:
6.1. Raha tsy nihaona tamin’i Jesoa ity vehivavy ity dia tsy hisalasalana fa maty ara-dalàna. Koa na inona na inona haben’ny zava-tsarotra mahazo anao, andao hihaona amin’ny Tompo fa manana fahasoavana atolotra anao Izy.
6.2. Rehefa mifanena amin’i Jesoa ny fo dia tonga hatrany amin’ny feon’ny fieritreretana Izy ka mampandini-tena ny olombelona tsirairay avy.
6.3. Jesoa no Mpamela heloka (8,11); noho izany dia aoka tsy ho lalaovina amin’ny fahotana ny fahasoavana sy ny famindrampo ao Aminy, ka hanota indray satria hoe: Mpamela heloka Izy.
6.4. Aza maka fanahy ny Tompo fa mampamenamenatra, ary miala maina.
6.5. Aza maika mitsaratsara sy manameloka ny hafa fa diniho aloha ny tenanao.
6.6. Tsy misy ota kely sy be ao amin’ny Tompo fa rehefa ota dia mahafaty avokoa rehefa tsy nibebahana.
6.7. Ity vevihavy ity no sambatra indrindra satria efa tokony ho faty fa avotra indray. TANDREMO anefa fa: rehefa niala avy teo izy dia mety hifanena amin’ilay lehilahy nandavo azy (na afaka 1 ora na iray andro na iray volana sns …). Samia mitandrina fa ny ratsy dia manodidina anao eo foana ary vonona mandrakariva mba handavo antsika. Izany no nahatonga an’i Jesoa hiteny hoe: « ary amin’izao sisa izao dia aza manota intsony » (8,11b). Mahereza. Amen.
Vavaka: mivavaha mba tsy halaky hitsaratsara sy hanameloka ny hafa.
An’ Andriamanitra irery ny voninahitra. Amen.
Ny Mpitandrina