Vaovaom-piangonana Alahady 28 Mey 2023

1.SAMPANA SY ASA:

Sekoly Alahady:

Vita soa aman-tsara ny Fanadinana natao tamin’ny heriny. Misaotra ny Ray aman-dreny nitondra ny zanany. Mitohy ny fianarana sy ny fanomanana ny fetin’ny reny sy ny fetin’ny fianakaviana.

Skoto Tranainy sy Sakaiza:
Fampahatsiahivana ny Lasy manomboka androany. Amin’ny 1 ora ny fiaingana eto am-piangonana.

Antokom-pihira:
Fanentanana mba hividy ny mofo mamy fetin’ny reny ny 04/06/2023 ka 15 000F ny iray, izay alaina eny amin’ny mpikambana ny karatra fandraisana anjara. Misy hanitra roa na vanille na chocolat isafidianana.

Mpihevidraharaha:
Nahavita ny fivoriana teto am-piangonana omaly Sabotsy 27/05/2023

2. SAMIHAFA:
Mitohy ny fiomanana ho mpiandry ny talata hariva eto am-piangonana,

Mitohy ny Fiaraha-mivavaka ny Alarobia amin’ny 3 – 4 ora,

Ny Fiarahana mandinika Soratra Masina dia hatao eny an-tokantranon’i Papa sy Maman ny Zoma 2 Jona 2023 amin’ny 7 ora hariva

Alahady Fandraisana ny amin’ny heriny androany koa aoka mba samy hiomana am-panahy ny amin’izany. Alahady natokantsika hivavahana ho an’ny Malagasy sy i Madagasikara io, koa fitafiana Malagasy no hanaovantsika amin’ny Alahady ho avy izao.

An’ Andriamanitra irery ny voninahitra. Amen.