Lohahevitra volana Jolay : “Hevero ny fifidianan’ny Tompo”

Arabaina amin’ny anaran’i Jesoa isika fa nomeny volana vaovao dia ny volana Jolay.
“Hevero ny fifidianan’ny Tompo”; izany indray no lohahevitra iainatsika izao.
Hoy ny Tompo:
“Dia halaiko ho Ahy ianareo ho oloko, ary ho Andriamanitrareo Aho; dia ho fantatrareo fa izaho no Jehovah Andriamanitrareo, izay mitondra anareo mivoaka ho afaka amin’ny fanompoana mafy ampanaovin’ny Egyptiana anareo” (Eks 6,7)
Izy no mifidy sy manafaka antsika.
Mirary soa ho anareo ry havana.
Ny Mpitandrina