Faly miarahaba anareo amin’ny anaran’i Jesoa.
Mahagaga ity fifidianan’ Andriamanitra ity, satria i Farao dia nofidiny mba hanamafy ny fony.
Hoy mantsy ny Tompo »
« Ary hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Raha mandeha miverina ho any Egypta ianao, indreo ireo fahagagana rehetra ireo, izay nataoko eo an-tànanao, dia ataovy eo anatrehan’i Farao; ary izaho hanamafy ny fony, ka tsy handefa ny olony izy » (Eks 4,21)
Mivavaha mba tsy ho aminao izany ho mafy fo eo anatrehan’i Jehovah sy ny olony izany. Amen.
Ny Mpitandrina