Matio 25:21-23

Amim-pifaliana hatrany no hiarahabana anareo amin’ny anaran’i Jesoa.
Ny fanoharana ny amin’ny talenta (Mat 25,14-20) dia ahitantsika fa samy nofidina izy telo lahy, ary samy nomena talenta avokoa.Ilay farany anefa dia tsy nampiasa an’izany.
Arak’izany; ny olom-boafidy dia nantsoina hampiasa an’izay nomen’ny Tompo azy. Koa mazotoa manompo na dia ao anatin’ny fotoanan’ny fialan-tsasatra aza.
« Tsara izany ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin’ny kely ianao; dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midira amin’ny fifalian’ny tomponao » (Mat 25,21.23)
Hevero ny fifidianana anareo.
Ny Mpitandrina