Miarahaba anareo amin’ny anaran’i Jesoa.
Hiaro sy hamonjy ary hitahy ny fianakaviana no tian’ Andriamanitra, fa rehefa nanao zavatra tsy ankasitrahany kosa dia ozona no hiafarany.
Hoy Izy:
« Koa noho izany dia, indro hahatonga loza amin’ny taranak’i Jeroboama Aho ka handringana izay lehilahy rehetra amin’ny tamingan’i Jeroboama, na ny voahazona na ny afaka amin’ny Israely, ary hanaisotra ny sisa amin’ny taranak’i Jeroboama Aho, toy ny fanaisotry ny olona ny diky ambara-paha-tsy hisy intsony » (1 Mpan 14,10)
Hodinihantsika amin’ny Fiaraha-mandinika Soratra Masina rahariva izany.
Mirary soa.
Ny Mpitandrina