Lohahevitra: IREO SISA (le reste d’Israël, les survivants)
Ireo antsoina hoe « sisa », ka irafetan’ireo teny fikasana na fampanantenan’ Andriamanitra no resahana ato amin’ity lohahevitra ity.
- Famaritana:
Ireo « sisa » dia ireo vondron’olona (antsoina koa hoe: noyau spirituel d’Israël) aorian’ny fitsaran’ Andriamanitra ary ireo no fiandohan’ny vahoakan’ Andriamanitra vaovao (Isa 10,20-23; 11,11-12; Zef 3,13; Zak 8,12)
Na koa:
Ireo mbola hisy aorian’ny fitsaran’ Andriamanitra izay natao mba hanadiovany ny olony (Ezra 9,8; Zak 14,2)
Ireo sisa ireo dia antsoina koa hoe:
- Israely sisa (Isa 10,20),
- sisa amin’i Jakoba (Isa 10,21),
- sisa amin’i Josefa (Amosa 5,15),
- sisa amin’i Joda (Jer 50,20)
Ny teny hoe « sisa » dia efa hita hatramin’ny andron’i Noa (Gen 7,23)
- Fotokevitra biblika:
- mamela na mitahiry na manavotra an’ireo « sisa » Andriamanitra:
. Jer 50,20: mamindrafo amin’ireo sisa Izy,
. Zef 3,12-13: amin’ny anaran’i Jehovah no hialofany, - ny vahoaka tany amin’ny fahababoana no antsoina hoe « sisa » (Mika 2,12)
- ireo niverina avy tany amin’ny fahababoana no antsoina hoe « sisa » (Zak 8,4-6),
- ireo « ory sy malahelo » (humble et modeste) no ireo « sisa » eto amin’i Zef 3,12,
Ny filazana ny amin’ireo niandohan’i Jaona mpanao batisa sy Jesoa Kristy araka an’i Lioka dia ahitana taratra ny fitohizan’ireo « sisa » aty amin’ny Testamenta Vaovao.
Ato amin’ny Testamenta Vaovao dia i Paoly irery no miresaka an’ « ireo sisa »; raha milaza ny amin’ny tsy finoan’ny Jiosy izy (Rom 9,27)
- Ireo sisa araka an’Isaia:
Isa 1,9:
ny « sisa » eto raha adika dia « ireo sisa velona » (Heb), na « voan-javamaniry » na koa « tsimoka » (Gr),
Jehovah Tompon’ny maro dia antsoina hoe « Tompo na Andriamanitr’ireo tafika »
Ny Isa 1,9 dia azo adika hoe:
« Raha tsy ny Tompo Andriamanitr’ireo tafika no namela sisa velona, voanjavamaniry kely na tsimoka, dia tena rava tanteraka, ary efa tonga tahaka an’i Sodoma sy Gomora isika.
Midika izany fa mitahiry vondron’olona vitsy Andriamanitra; ka ireo dia mahazo antoka tanteraka fa tsy ho ravan’ny afon’ny fitsaran’ Andriamanitra ary hihaona Aminy any an-danitra.
Azo dinihana ihany koa ny Isa 11,11; 11,12; 37,4; 37,31-32; 46,3.
- Ireo sisa amin’izao androntsika izao:
- Vitsy ny mahita ny làlana tery mankany amin’ny fiainana (Mat 7,13-14)
- Ireo « sisa » dia toy ny ondry vitsy kanefa dia maeo sy masiaka ny fahavalo (Lio 12,32)
- « Fa maro no antsoina, nefa vitsy no fidina » (Mat 22,14)
MAMPIERITRERITRA.
An’ Andriamanitra irery ny voninahitra. Amen.