Faly miarahaba anareo amin’ny anaran’i Jesoa.
Ankalazao ny Tompo amin’ny maha Mpamonjy Azy:
« Ary nisy vahoaka betsaka nankeo aminy nitondra ny mandringa, ny jamba, ny moana, ny kilemaina, ary ny maro hafa koa, ka nametraka azy teo akaikin’ny tongotr’i Jesoa; dia nahasitrana azy Izy; ka dia talanjona ny vahoaka, raha nahita ny moana miteny, ny kilemaina sitrana, ny mandringa afaka, ary ny jamba mahiratra; dia nankalaza an’ Andriamanitry ny Israely izy » (Mat 15,30-31)
Mirary fahasalamana sy faherezana ho an’izay tsy marofirofy rehetra. Amen.
Ny Mpitandrina