Faly miarahaba anareo amin’ny anaran’i Jesoa.
Davida raha nanao ny Sal 30, dia azon’ny aretina mafy ka sitrana soa aman-tsara (30,2-3). Ho anao na narary ka sitrana na mbola ao anatin’ny tsy fahasalamana ary indrindra isaorana ny Tompo fa salama; dia andao hiaraka hanao hoe:
« Mankalazà an’i Jehovah, ry olony masina, ka miderà ny anarany masina » (30,4)
Mirary fahasitranana ho an’ny tsy salama rehetra. Amen.
Ny Mpitandrina