Faly miarahaba anareo amin’ny anaran’i Jesoa.
Na dia eo amin’izay heverina ho tsy hahitam-bokatra sy tsy misy antenaina aza, ny voahary dia midera sy maneho ny voninahitr’ Andriamanitra ary mifaly amin’izany. Dia ho ambaka an’ireo ve ny olombelona?
« Ravoravo ny efitra sy ny tany karankaina, ary ny tany hay mifaly sy mamony tahaka ny lilia » (Isa 35,1)
Mirary soa ho anao amin’izao herinandro vaovao izao. Amen.
Ny Mpitandrina