Levitikosy 19:9-10

Miarahaba anareo amin’ny anaran’i Jesoa.
Mampianatra antsika mba hitsimbina ny hafa, indrindra fa ny mahantra sy ny sahirana koa ny didin’i Jehovah.
Hoy Izy:
« Ary raha mijinja ny tanimbarinareo ianareo, dia aza jinjana avokoa ny eny an-tsisiny; ary aza tsimponina izay latsaka avy amin’ny vokatrao. Ary aza otazana avokoa ny eo amin’ny sahanao, ary aza tsimponina izay latsaka eo amin’ny sahanao; fa avelao ho an’ny malahelo sy ny vahiny izany: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo » (Lev 19,9-10)
Amen.
Ny Mpitandrina