Vaovaom-piangonana 25/02/2024

SAMPANA SY ASA

SEKOLY ALAHADY:

  • Tontosa ny Sortie natao tany amin’ny Jardin Botanique Bingerville omaly Sabotsy 24/02/2024
  • Nohon’ny Ankatoky ny Fandraisana dia tsy misy fianarana aorian’ny fanompoam-pivavahana
  • Mihofana miaraka amin’ny Mpitandrina ny mpampianatra Sekoly Alahady rehetra amin’ny sabotsy 02/03/2024 amin’ny 2-4 ora

SKOTO TRANAINY SY SAKAIZA:
Hanao opération TShirt izy ireo manomboka anio, ny vidiny dia 3500 F. Misoratra anarana any amin’ny Biraon’ny STS izay rehetra hanao commande mandritra ity volana Martsa ity,

ANTOKOM-PIHIRA
Mianatra hira ny Antokom-pihira amin’ny Sabotsy izao,

MPIHEVIDRAHARAHA:
Mivory izy ireo aorian’ny fanompoam-pivavahana amin’ny Alahady izao. Ny fiaraha-misakafo amin’ny Alahady 31/03/2024 izay sady Paska no andron’ny FKMA no hodinihana amin’izany.

PROJECTION:
Mivory ireo mpikirakira ny Projection rehetra amin’ny Alahady izao aorian’ny fanompoam-pivavahana

Mitohy ny Cellule de prière isaky ny Alarobia,
Mitohy ny fianarana mitoriteny ny Alakamisy izao
Mitohy ny Étude biblique ny zoma izao
Ny KATEKOMENA dia manomboka amin’ny 4 ora amin’ny sabotsy izao noho ny fihofanan’ny mpampianatra Sekoly Alahady

An’ Andriamanitra irery ny voninahitra. Amen