Toriteny 18/02/2024

25. Fa tany an-tsaha ny zanany lahimatoa; ary nony nody izy ka mby teo akaiky ny trano, dia nandre zava-maneno sy dihy.26. Ary niantso ankizilahy anankiray izy ka nanontany azy izay anton’izany zavatra izany.27. Ary hoy ilay ankizilahy taminy: Tonga ny rahalahinao, ka namono ny zanak’omby nafahy ny rainao, satria efa tafaverina soa aman-tsara ato aminy izy.28. Dia tezitra izy ka tsy nety niditra; ary nivoaka rainy ka nampandroso azy.29. Fa izy namaly ka nanao tamin-drainy hoe: Indro, izay ela izay aho no efa nanompo anao ka tsy mbola nandika ny didinao na dia indray mandeha akory aza; nefa izaho tsy mbola nomenao na dia zanak’osy aza mba hifaliako amin’ny sakaizako;30. fa raha vao tonga kosa io zanakao io, izay efa nandany ny fanananao tamin’ny vehivavy janga, dia namono ho azy ny zanak’omby nafahy ianao.31. Ary hoy rainy taminy: Anaka, ianao eto amiko mandrakariva, ary anao avokoa izay rehetra ananako.32. Fa mety ny mifaly sy miravoravo; fa ity rahalahinao ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray.

Lioka 15:25-32