Isaia 55:8

Miarahaba anareo amin’ny anaran’i Jesoa.
« Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo, ary ny làlanareo kosa tsy mba làlako, hoy Jehovah » (Isa 55,8).
Raha nisy zavatra tsy noeritreretinao mihitsy ny miseho eo amin’ny fiainanao, dia matokia fa mbola hazava aminao izany indray andro any.
Tian’ny Tompo ianao. Amen.
Ny Mpitandrina