Faly miarahaba anareo amin’ny anaran’i Jesoa.
Ireto misy fampitahana ny ataon’ny zanaky ny mazava sy ny zanaky ny maizina:
« Satria ianareo rehetra dia an’ny mazava sy an’ny andro; tsy mba an’ny alina isika na an’ny maizina. Koa aza mba matory tahaka ny sasany, fa aoka hiambina sy hahonon-tena. Fa ny alina no atorian’ny olona ary ny alina no imamoany » (1Tes 5,5-7 DIEM)
Saino mandrakariva izany.
Mirary soa.
Ny Mpitandrina