2Mpanjaka 21:20-22

Faly miarahaba anareo amin’ny anaran’i Jesoa.
Nampalahelo ny Tompo ny nataon’i Amona mpanjaka, izay tsy niara-nandeha Taminy. Toy izao izany:
« Ary nanao izay ratsy eo imason’i Jehovah koa izy tahaka ny nataon’i Manase rainy. Fa nandeha tamin’ny làlana rehetra izay efa nalehan-drainy izy ka nanompo ny sampy izay notompoin-drainy sady niankohoka teo anatrehany. Ary nahafoy an’i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izy, fa tsy nandeha tamin’ny làlan’i Jehovah (2Mpa 21,20-22).
Miaraha-làlana amin’i Jesoa isan’andro. Amen
Ny Mpitandrina