Notontosaina ny Alahady 03/12/2023 ny Alahadin’ny Mpitandrina teto amin’ny FKMA, ka nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra sy nitondrana am-bavaka ny Mpitandrina RAKOTONIAINA sy ny ankohonany.
Ny Filoha Laika no nitarika ny fotoana. Niara-nientana ny sampana rehetra nampiseho ny fiombonana. Tsy diso anjara tamin’izany ny Loholona sy ny Diakona izay nampiseho tokoa fa mpiara-miasa akaiky ny Mpitandrina. Nisy fiarahana misakafo taorian’ny fotoam-pivavahana.
