Arabaina nahavita soa ny Pentekosta omaly ary mbola mitohy androany izany.
Mety misy amintsika ny manao fitsangatsanganana miaraka amin’ny Fiangonana androany, mety misy ny miaraka amin’ny havana, tapaka sy namana, ary misy koa ny nisafidy hijanona ao an-trano. Tsarovy fa vao nomena ny Fanahy Masina isika. Aoka ho mendrika an’izany izay atao rehetra.
Hoy ny Tompo:
« Ary ny Tompo izany Fanahy izany; ary izay otoeran’ny Fanahin’ny Tompo no itoeran’ny fahafahana »
Mirary fety sambatra ho anareo, miaraka amin’i Jesoa sy ny fitarihan’ny Fanahy Masina. Amen.
Ny Mpitandrina