5Indro, efa nampianariko didy sy fitsipika hianareo, araka izay nandidian’i Jehovah Andriamanitro ahy, mba harahinareo any amin’ny tany izay efa hidiranareo holovana. 6Koa tandremo ary ataovy izany, fa izany no ho fahendrenareo sy ho fanananareo saina eny imason’ny firenen-tsamy hafa; fa handre izany lalàna rehetra izany izy ka hanao hoe: Olona hendry sy manan-tsaina tokoa io firenena io
Deotoronomia 4:5-6