Efesiana 1:18

Miarahaba anareo amin’ny anaran’i Jesoa.
Mba hananantsika fanantenana sy hampitoetra ny fiantsoana, dia hazavain’ny Tompo ny saintsika. Hoy Izy:
« Ary mba hampahiratina ny mason’ny sainareo, mba ho fantatrareo izay fanantenana avy amin’ny fiantsoany sy izay haren’ny voninhitry ny lovany eo amin’ny olona masina » (Efes 1,18)
Tahin’ny Tompo.
Ny Mpitandrina