Eksodosy 34:9

Finaritra. Rehefa nanao ombilahy kely volamena hiankohofany ny Zanak’ Israely, dia nivavaka i Mosesy ka hoy izy:
« Tompo ô, raha mba mahita fitia eo imasonao aho, aoka Ianao, Tompo ô, handeha eo afovoanay (fa firenena mafy hatoka izy), ka mamelà ny helokay sy ny fahotanay ary raiso ho lovanao izahay » (Eks 34,9)
Aza misaraka amin’ny Tompo, fa miaraha mandeha Aminy mandrakariva. Amen.
Ny Mpitandrina