Ny fianakaviana ato amin’ny Soratra Masina (tohiny sady farany)
4. Mba hihazonana ny fitahiana dia nomeny ny didiny mba hankatoavina, dia ny Didy folo (Eks 20,2-17; Deo 5,6-21)
Miainga amin’ireo Fitahiana sy ozona ao amin’ny Deo 28, dia ireto misy zavatra tsy maintsy ataon’ny isa-pianakaviana (28,1-2; 13)
- mihaino tsara ny feon’i Jehovah Andriamanitra,
- mitandrina hanaraka ny didiny.
Tandremo fa tsy azon’ny isa-pianakaviana atao ny manompo andriamani-kafa (Deo 28,14).
Ireo Didin’ Andriamanitra ireo dia hampianarina amin’ny fomba rehetra ny taranaka mifandimby (Deo 6,6-9) indrindra ny andininy faha 7.
5. Ireto misy ankohonana nisafidy ny hanompo ny Tompo ao amin’ny Testamenta Taloha:
Josoa 24,15
Joba 1,4-5.
Maro ny ankohonana nanompo ny Tompo ao amin’ny TestamentaVaovao:
Ankohonan’i Aristobolo sy Narkisa (Rom 16,10-11, sns …
6. Ireo fianakaviana nofaizin’ny Tompo:
Kora sy Datana ary Abirama izay niodina tamin’ Andriamanitra ka nanohitra ny fitarihan’i Mosesy (Nom 16,31-34): maty natelin’ny tany ny ankohonany sy ny fananany rehetra,
Jeroboama, mpanjakan’ Israely tany avatra: satria nitaona ny vahoakany hanompo sampy, dia maty tamin’ny fomba mahatsiravina sy mampalahelo ary afa-baraka ny taranany (1Mpanj 14,10-11)
7. Fianakaviana mibebaka sy vonona hanompo ny Tompo tahaka an’i Zakaiosy no mandray ny fitahiana rehetra (Lio 19,8). Dia hoy i Jesoa:
« Anio no tonga eto amin’ity trano ity ny famonjena, fa izy dia zanak’i Abrahama koa » (Lio 19,9)
Ho amin’ny isa-pianakaviana rehetra anie izany.
An’ Andriamanitra irery ny voninahitra. Amen