Ao anatin’ny lohahevitra hoe « Aoreno ao amin’ny Tompo ny fianakaviana » isika amin’izao. Noho izany dia heverinay fa mety ny mandinika an’ireo Soratra Masina vitsivitsy mikasika ny fianakaviana.
1.Famaritana:
Amin’ny maha Malagasy antsika, dia handeha araka izay hita ao amin’ny Rakibolana malagasy nosoratan’i Régis RAJEMISA – RAOLISON no horaisina:
Fianakaviana (anaka): fitambaran’ny ray sy ny reny ary ny zanaka izay antsoina koa hoe mpianakavy.
Ankohonana: fitambaran’ny olona rehetra izay iadidiana ao anatin’ny tokantrano: vady aman-janaka, ray aman-dreny antitra, mpiasa, havana na zana-kavana mipetraka ao amin’ny tena.
Teo amin’ny Hebreo ny fianakaviana dia somary mivelatra be satria tafiditra ao ny ray sy ny reny, ny ray aman-drenin’izy ireo raha mbola velona, ny zanaka, ny vinanto, ny andevo ary ny vahiny ao an-trano.
Ato amin’ny Testamenta Vaovao dia manaraka an’izay ihany fa saingy mifintina kokoa dia ny ray sy ny reny ary ny zanany fa manampy ao koa ny mpanompo.
Raha fintinina ireo rehetra ireo dia maro ny mpikambana ao antin’ny fianakaviana izay ny ray no lohany.
2.Voambolana:
« bait » (Hebreo):
Io dia manana heviny vitsivitsy:
- trano ipetrahana (Gen 28,2; 1Mpanj 2, 36)
- fianakaviana na ankohonana (Gen 7,1)
- foko (clan) (2Sam 3,1)
« mishefah » (Hebreo): fianakaviana (Gen 12,3; Eks 12,21)
« Oikos » (Grika): misy heviny telo:
- trano (Mat 9,7; Mar 7,30)
- izay monina ao an-trano, fianakaviana (Lio 19,9; 1Kor 1,16)
- taranaka (descendants) (Asa 23,36)
3.Ny sitrapon’ Andriamanitra mikasika ny fianakaviana:
3.1Fitahiana:
Handray fitahiana no nanorenan’ Andriamanitra ny fianakaviana. Niandoha tamin’i Abrahama izany (Gen 12,3)
Satria izy dia nino sy nankatò an’ Andriamanitra (Gen 12,5 jereo Heb 11,8-10)
Ireto misy fanomezan-toky na fampanantenana dimy ho an’i Abrahama:
- 12,2a: Hahatonga anao ho firenena lehibe aho. Ny fivavahana telo lehibe dia samy taranany avokoa (jodaisma, kristianisma, silamo)
- 12,2b: hitahy anao Aho; handova ny tany Kanana (17,8)
- hahalehibe ny anaranao Aho (12,2d jereo koa 21,22-23). Voatonona foana Abrahama (Jao 8,53; Asa 7,2; Gal 3,6-9)
- hitahy izay manisy soa anao Aho (12,3a)
- hanozona izay manozona anao Aho (12,3b)
Ireo no hataon’ Andriamanitra amin’i Abrahama sy ny taranany, ary mbola ataony koa amin’izay fianakaviana miorina ao Aminy (jereo koa ireto 2Kor 6,16-18; Heb 8,8-10)
Mbola hitohy ….