Lohahevitra : FIANGONANA
Amin’izao fiandrasana ny fiavin’ny Tompo izao, dia tsara raha mijery ny mikasika ny Fiangonana isika.
1.Famaritana.
Ny fiangonana (latina: ecclesia), dia avy amin’ny teny grika « ekkelsia »:
ek: avy ao na avy tao,
Kaleô: miantso.
Ny « ekklesia » no nandikan’ny Baiboly grika Septanta (LXX) ny « kahal » izay teny hebreo ao amin’ny Testamenta Taloha ilazana ny Fiangonana.
Ny « kahal » dia ilazana ny Israely tafavory amin’ny fotoam-pivavahana.
Ny « ekklesia » kosa dia nentina nilazana ny fivorian’ny vahoakan’ ny tanàna grika, voantso ara-dalàna mba hihevitra ny raharaham-panjakana.
Arak’izany, ny Fiangonana dia fivorian’ny olona nantsoina avy tao … mba hivavaka. (jereo 1Pet 2,9)
Raha eo amin’ny fiarahamonina dia ny trano anaovan’ny kristiana ny fanompoam-pivavahana no antsoina hoe: Fiangonana.
Ao amin’ny Mat 16,18 no nampiasan’i Jesoa ny teny hoe « fiangonana ». Taorian’ny nanaovan’i Petera ny fanekam-pinoana lehibe sy miezinezina (16,16-17).
Eto dia tsara ny manamarika fa ny tena Fiangonana dia manana fanekem-pinoana miorina ao amin’i Jesoa Kristy.
Hoy Jesoa: « eto ambonin’ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako » (16,18).
Milaza izany fa « Mpanao trano » na « Mpanorina » i Jesoa.
Izy koa no « vato fehizoro » (Mat 21,42; Asa 4,11 … ). Ny Apostoly sy ny mpaminany kosa no fanorenan’ny Fiangonana (Efes 2,20)
Hanorina Fiangonana vaovao i Jesoa , izay manaraka ny Fanekem-pinoan’i Petera.
Ny « vavahadin’ny fiainan-tsi-hita tsy haharesy azy »:
Teny fahita ato amin’ny Testamenta Taloha ny hoe « vavahadin’ny fianan-tsi-hita » (Isa 38,10; ampitahao amin’ny Joba 38,17). Antsoina hoe « vavahadin’ny fahafatesana » ao amin’ny Sal 107,18.
Ny « vavahadin’ny fianan-tsi-hita » na ny « vavahadin’ny fahafatesana » dia milaza ny fanjakan’ny fahafatesana.
Noho izany dia tsy hanan-kery amin’ny Fiangonana ny herin’ny fahafatesana. Ary koa: haharitra mandrapihavin’ny Tompo ny Fiangonana.
Mbola hitohy ….