Miaraha ny mpino FKMA.
Araka ny efa nolazaina tamintsika dia nahazo fanasana avy amin’ny fiangonana Emci isika ny Alahady 09 Jolay izao noho n’y fête de la moisson. Manasa antsika rehetra ho Tonga maro hifanontrona amin’izany.
Tsara ny manamarika fa tsy fanompoam-pivavahana amin’ny endriny manontolo io alahady io, fa fotoam-pivavahana fohy ho fanokafana ny fety no hatao.
Ny Sabotsy 8 jolay 2023 amin’ny 6 ora ka hatramin’ny 8 ora alina no hanatanterahina ny Culte de la Moisson arahin’ny Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo.
Ny Alahady izany dia tena fety moisson araka ny fandaharam-potoana zaraina amintsika eto ambany.
Fanorenana Immeuble des Béatitudes no tanjona amin’ny Moisson ity taona ity.
Samia tahian’ny Tompo.
