Miarahaba ny mpino rehetra amin’ny anaran’i Jesoa.
« Aoreno ao amin’ny Tompo ny fianakaviana » no lohahevitra Oktobra, dia handeha ny « Fifandraisana misy eo amin’ny fanambadiana sy ny fifandraisan’ny mpino amin’ny lalàna » ( Rom 7,1-6) no dinihantsika amin’ny Fiaraha-mandinika Soratra Masina rahariva.
Tongava maro.
Fiadanana.
Ny Mpitandrina
1Tsy fantatrareo, va, ry rahalahy (fa miteny amin’izay mahalala ny lalàna aho), fa ny lalàna dia manapaka ny olona, raha mbola velona izy? 2Fa ny vehivavy izay manambady dia fehezin’ny lalàna ho an’ny lahy, raha mbola velona ny lahy; fa raha maty kosa ny lahy, dia afaka amin’ny lalàn’ny lahy izy. 3Koa raha mbola velona ny lahy, ka manambady olon-kafa ravehivavy, dia hatao hoe mpijangajanga izy; fa raha maty kosa ny lahy, dia afaka amin’izany lalàna izany izy ka tsy mba mpijangajanga, na dia manambady olon-kafa aza. 4Ary amin’izany ianareo koa, ry rahalahiko, dia efa natao maty ny amin’ny lalàna noho ny tenan’i Kristy, mba ho vadin’ny hafa ianareo, dia Izay natsangana tamin’ny maty, mba hahavokarantsika ho an’Andriamanitra. 5Fa fony tao amin’ny nofo isika, dia ny filan’ny ota, izay nohetsehin’ny lalàna, no niasa tao amin’ny momba ny tenantsika hahavokatra ho amin’ny fahafatesana. 6Fa ankehitriny dia efa afaka tamin’ny lalàna isika, satria maty ny amin’izay nihazonana antsika, ka dia manompo amin’ny havaozam-panahy isika, fa tsy amin’ny hahelan-tsoratra.
Romana 7:1-6